<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Hianao, Jehovah Tompo
 No itokiako
 Ka tsy matahotra aho
 Fa manana Anao.
 Ry Harambato mafy,
 Izay ao mandrakizay
 Ny foko tsy hanahy,
 Fa miankina Aminao.

[V2]
 Mitsoka mafy loatra
 Ny rivo-doza re,
 Kanefa tsy hihoatra
 Ny fefy lehibe.
 Ry Aron'ny tanora,
 Ry Tokin-dehibe
 Ho heriko isan'ora
 Ny herinao anie.

[V3]
 Raha tonga re ny fetra,
 Ny andro tapitra,
 Haneno ny trompetra,
 Hihovitrovitra.
 Kanefa matokia,
 Ry foko fa Jeso
 Hitantana ny dia
 Ho eo anilanao.</lyrics>
<title>Hianao, Jehovah Tompo FFPM682</title>
<hymn_number>682</hymn_number>
</song>